Ny FANDONDOMANA #6 noho izany dia nanome firafitra sy taridàlana handrosoana amin’ny fomba hentitra mankany amin’ny farany. Mànana làlana tsy maintsy handehanana isika, voamarika mazava ny morony. Izany dia mitaky fandinihana sy fampiharana akaiky hataon’ny isambatan’olona.
Fandinihana akaiky hataon’ny isambatan’olona – voatsipika izay. Ny fiheverana akaiky sy ny fampiharana hataon’ny isambatan’olona – satria isika dia mahatakatra fa ny fandehanana isambatan’olona mankany amin’ny fahamatorana dia miantraika amin’ny fitambaran’ny rehetra. Takatry ny rehetra izany.
Midika izany fa misy fahatsapana andraikitra lehibe mipetraka amintsika tsirairay avy. Ary ny tsirairay amintsika dia samy milaza ny tenantsika hoe: izay ataoko, ny fomba fandehako, ny fomba fiainako, dia mandray anjara betsaka amin’ny fitambaran’ny rehetra.